Tsiahy
TSIAHY MAHAKASIKA NY DEPARTEMANTAN’NY KOLONTSAINA
Ny kolontsaina dia anisan’ny fanoitra iray lehibe hanambarana ny fahaleovantena marina ny firenena iray eo amin’ny fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra na ekonomika, na politika, na sosialy sns …
Araka ny voafaritra ao amin’ny fitsipika arahan’ny « Charte de la Révolution Socialiste », ny fanjakana malagasy dia namaritra sy nametraka ho mahaleotena ny departemantan’ny kolontsaina izay hisahana ny fanolokoloana sy ny zavakanto.
Fa talohan’ny taona 1975; ny kolontsaina dia natao anjorom-bala, indrindra tamin’ny andron’ny fanjanahana tamin’ny endriny vaovao ka nataony ho fialamboly ihany ny kolontsaina mba hanariana dia sy hampanjakana ny fisainan’ny mpanjanaka. Noho izany dia naankina tamin’ny Ministère de l’Information et des Arts Traditionnels, avy eo tao amin’ny Ministère de l’Education Nationale et des Affaires Culturelles ary natambatra ho singana foibe iray tao amin’ny Ministère de la Jeunesse.
Nanomboka hatreo amin’ny faharavan’ny fitondram-panjanahana no niverina indray teo amin’ny fomba amam-panao fototry ny kolontsaina malagasy na dia mbola tsy tanteraka aza; ka nametrahana ny departemantan’ny kolontsaina mba ho antoka hamerenana ny hasin’ny kolontsaina malagasy sy hamoahoana izany ho ao anaty ràn’ny olom-pirenena tsirairay.
Izany no nanaovana ity sombina tsiahy ity ho fampahafantarana ny làlana nizoran’ny kolontsaina.
“Isika izao tokoa no toa ny langoraony sy amponga; samy hafa faneno nefa mahay mifameno, koa raha toa lahy misy latsaka na tsy mifanaraka izay voasoratra; tsy hanao tahaka ilay Ikala adala am-body tenona ianareo ka sady tsy hanoy ny tapaka no tsy hanala ny kambana, fa mba ataovy hoe: ilay lava mandry amorom-patana io ê! zovy ka tsy i zoky ihany; zovy ka tsy i zandry ihany, fa toko tapaka; vilany mitongila ka izay tsy mety iarahana manarina”. Izany indrindra no ikarohana sy amerenana indray ilay soatoavina Malagasy fahiny.
Koa misaotra anareo mialoha sahady izay hanao ny fanamarihana mba ho fanatsarana.
Indro ary ampahatsiahivina anao ny tantara fohifohy mahakasika ny departemantan’ny kolontsaina.
Ny niantsoana ny departemantan’ny Kolontsaina nanomboka tamin’ny taona 1976 hatramin’izao.
| 1 | 1976 | Ministère des Arts et de la Culture Révolutionnaires |
| 2 | 1977 | Ministère de la Culture et des Arts Révolutionnaires |
| 3 | 1992 | Ministère de la Culture, de la Communication et des Loisirs |
| 4 | 1995 | Ministère de la Culture et de la Communication |
| 5 | 1996 | Ministère de la Culture, de la Communication et des Relations avec les Institutions |
| 6 | 1996 | Ministère de la Communication et de la Culture |
| 7 | 1997 | Ministère de l’Information, de la Culture et de la Communication |
| 8 | 2002 | Ministère de la Culture |
| 9 | 2005 | Ministère de la Culture et du Tourisme |
| 10 | 2007 | Secrétariat d’Etat chargé de la Culture et des Loisirs |
| 11 | 2007 | Ministère des Sports, de la Culture et des Loisirs |
| 12 | 2008 | Ministère de la Jeunesse, du Sport et de la Culture |
| 13 | 2010 |
Ministère de la Culture et du Patrimoine |
Ireo Mpitondra nifandimby tao amin’ny départemantan’ny Kolontsaina.





























