Fanambadiana Tsimihety

Fitiavan’olon-droa aorina eo ambony fifanarahan’ny fianakaviana roa tonta.

Manana ny fomba mampiavaka azy eo amin’ny sehatry ny foko Tsimihety any amin’ny faritra Sofia any avaratra andrefan’i Madagasikara. Manaraka ny fivoaran’ny toetr’andro ny fanambadiana, ka misy karazany roa amin’izao fotoana. Ny voalohany dia miainga hatrany amin’ny fianakavian’ny roa tonta, izay voasokajy ho fanambadiana vita fomba. Ny faharoa kosa dia miainga amin’ny fitiavan’olon-droa tsy nahazo tso-drano ary tsy nahavitàna fomba.

Jaloko sy jombilo

Ho an’ny fanambadiana izay vokatry ny fitivan’olon-droa ary volatry ny safin’izy ireo, dia maro ny tranga mety miseho. Rha mahazo ny tso-drano avy amin’ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana ny fifankatiavan’izy roa dia arahaba soa, arahaba tsara. Ny lehilahy manaraka vehivavy any an-tranony no antsoina hoe jaloko ary ny vehivavy manaraka ny lehilahy any amin’ny toerana misy azy kosa no atao hoe jombilo. « Tsy dia omen’ny fiaraha-monina hasiny loatra ireo karazan’olona ireo », araka ny fanazavan’i Ndrozara, mpandinika ny fiaraha-monina sy ny fomba malagasy. Nomarihina ihany koa fa « izay manaraka amin’io fanambadiana io dia manomp ny olona arahiny ».

Moletry sy ravinkariana

Ho an’ny fanambadiana amboarina kosa dia ny fianakavian’ny lehilahy sy ny vehivavy no mifampiraharaha ary manomboka hatrany amin’ny fifanatonana izany,mitohy amin’ny fifampizhana ary miafara amin’ny fifampiraharahana. « Efa misy ny fivoarana ankehitriny satria efa mangataka ny hevitry ny zanany ireo ray amn-dreny na tiany na tsy tiana ilay olona hovadiany mialoha ny fifanarahana », araka ny fanazvan’ity mpandalina ny fomban-drazana tsimihety ity. « Taloha dia anjaran’ny ray aman-dreny no manolotra vady ho an’ny zanany, indrindra ho an’ny tovovavy hanangonan-karena ny fanambadiana tsimihety teo aloha.

Mialoha ny fomba rehetra atao amin’ny fangalam-biavy, dia tolotra roa no fototry ny fifampiraharahana eo amin’ny fianakavian’ny lahy sy ny vavy. Voalohany amin’izany ny « Moletry » izay avy amin’ny teny roa « Mody » sy « Hetra ». Amin4ny ankapobeny dia omby no atolotra amin’io ary misy ny ady varotra atao amin’ny isan’ny omby omena. « Miankina amin’ny zazavavy ny isan’ny omby eto. Raha mbola tovovavy izy dia maromaro ny omby takian’ny ray aman-dreny, hoy ihany i Ndrozara. Amin’ny ankapobeny dia omby roa ka hatramin’ny 10 no atao amin’ny moletry.

Ny « ravinkariana », kosa no tolotra faharoa. Vola izy io ary karazana vodiondry. Misy ihany koa ny fifanarahana eo.

Mpanarakandro sy mpanarabitana

Rehefa mifanaraka ny fianakaviana roa tonta eo amin’ny tolotra ireo dia miroso amin’ny fijerena andro hanantaterahana ny raharaha. Samy mitady ny andro mety aminy ny fianakaviana. Miankina amin’ny fipetraky ny masoandro sy ny volana ny fijerin’ny foko Tsimihety ny andro tsara, manatona mpanarakandro (astronome) sympanarabitana (astrologue) izy ireo amin’izany. Aorian’ izay dia mitady ny marimaritra iraisana.

Amin’ny ankapobeny dia ao anatin’ny volambita, vita asa vary (volana jolay) no fanaovana ny raharaham-panambadiana tsimihety. Misy ihany anefa ny manao izany amin’ny Asarabe (Septambra). Tsy fanaovan-draharaha kosa anefa ho azy ireo ny volampôsa(febroary) sy ny sabotsy, zoma ary ny alatsinainy.

Rehefa ifanarahana ny andro hanaovana ny fampakarana dia miroso amin’ny fanomanana ny roa tonta. Tafiditra ao anatin’izany fanomanana ny « sarona » izay  atolotry ny zazalahy ho an’izay ho andefimandriny. Ireono fitafiana sy firavaka omena ilay vehivavy amin’ny andro lehibe. Hita ao anatin’izany ny lamba, firavaka, alo…) Ankoatra ny omby « moletry »  dia manomba omby mazavaloha na volavita ihany koa ny fianakavian-dralehilahy, hatao joro sy ny « ronangivy ». ity farany dia atao sakafo mandritra ny tsimandrimandry.

Etsy ankilan’izay ny fianakavian-drazazavavy kosa dia manomana ny « Meme » izay azo avy amin’ny teny hoe « omeo  omeo ». Izy io indray dia ireo fitaovana sy kojakoja entin-dRavehivavy any amin’ny tokantrano. Ohatra amin’izany ny fitaovana ilaina any an-dakozia, ny tsihy, fandriana, sotro…

Eo ihany ko aizy ireo nomanao ny fitotoam-bary ilaina amin’ny raharaha rehetra izay antsoina hoe « Disabe » na farimbon-daona.

Valizy mena

Niteraka fitiavan-tena teo amin’ny ray aman-dreny sasany ny fisian’ny « fehim-badiana » ka niteraka ilay fitenenana hoe « Valizy mena » Misy tranga roa izy, ka ny voalohany dia miaritra izay zava-misy ao an-tokantrano mandritra ny fe-potoana ifanarahanailay vehivavy. Rehefa tapitra io dia ampirisihin’ny ray amn-dreny hisaraka sy hody ilay vehivavy ary ikarohana vady hafa indray mba hahazoana « moletry » hafa.

Ny faharoa indray dia manangona izay harena tokony ho azy razazavavy ka vao tapitra ny fifanarahana dia raofiny anaty valizy mena ny entany dia las aizy mandeha.

Fangalam-biavy

Ny alin’ny andro hanaovana ny « fangalam-biavy » dia efa misy ny tsindrimandry any amin’ny fianakaviana roa tonta. Ny maraina, misy ireo solontenan’ny fianakavian-dRalehilahy mandeha mankany amin’ny tanànan-dRavehivavy manao ny fangataham-bady. Miandry any an-tanànany kosa ilay tovolahy. Rehefa tonga eny akaikin’ny tanànan-dRavehivavy ireo mpangata-bady dia misy ny tovolahy iray irahina « mangataka tanàna » sy mampilaza ny fahatongavan’izy ireo. Rehefa izany dia mandeha mitsena azy irei miaraka amin’ny « hôsika » (hira sy fitehefan-tanana) ireo tompon-tanàna. Aroso anaty tranobe iray izy ireo, dia tolorana sakafo. Aorian’ny sakafo vao miroso amin’ny « sahabo » na ventin-kabary ary manomboka ny fangataham-bady.

Mialoha ny hiafaran’ny fangataham-bady dia manontany ireo zavatra nifanekena ny fianakavian-dravehivavy. Mandeha ny anadahin-jaza na ny gdadatoany mijery ny omby, ka raha misy ny tsy tiana dia soloina. Rehefa voatolotra ny « ravinkariana » dia lazaina fa mahazo izay nangatahiny ireo mpangata-bady.

Aorian’izay dia atolotra ny fianakaviana ny « sarona » efa voaomana. Mivoaka ny fianakaviana fa hosarognana ilay tovovavy. Eto dia misy tovovavy roa na telo no miara-saronana ka anjaran’ny mpangata-bady ny maka ilay tovovavy tena izy.

Fampakaram-bady sy jorom-panambadiana

Tanterahina aorian’izay ny tso-drano omena an-drazazavavy ka amin’ny alalan’ny ranomazana sy ny vola roapolo taratasy no hanaovana izany. Tontosaina aorian’izay ny «fehim-badiana » na ny fifanarahana amin’ny mariazy. « Am-bava foana no nanaovana azy io fa tsy nisy ny fitanana an-tsoratra ary vavolombelon’ny fifanarahana ireo rehetra manatrika », hoy ihany izy. Jerena ao anatin’izany ny zavatra mety hitranga. Tafiditra ao anatiy fifanarahana ny fe-potoana haharetan’ny tsy famerenana ny « moletry » raha sanatria misy ny hadalana na tsy mety ataon-dRavehivavy. Aorian’izany dia mitarika hira hanaovana veloma a-dRazazavavy ny fiakaviany ary misy ny solontena manatitra azy amin’ny tanànan-dRalehilahy. Matetika dia ny reniny na ny zokiny vavy no manaraka azy any. Ireo lehilahy kosa no milanja ireo « meme » hoentiny any an-tokantrano.

Rehefa tonga any an-tananàn-dRazazalahy dia aroso ao anaty trano lehibe ihany koa ireo mpanatitra ary tolorana sakafo. Aorian’izay ny tovolahy. Eo afovoan’ny tanàna no misy ny « Tonibe » na toerana fisoronana ka entina eo ny omby hanaovana ny jorom-panambadiana. Io no fanekena ampahibemaso ny fanambadian’izy roa. Misokatra avy eo ny « Tsaboraha » izay lanonana, fisotroana, fiantsana mandra-maraina.

Mandritra izany di efa voavoatra ny trano ho azy roa. « Rha mbola kely loatra ilay vehivavy dia manotrona azy ny rahavaviny », hoy ihany. Rehefa maraina dia mandeha mody ireo mpanatitra. Matetika anefa mbola mijanona manotrona ny vehivavy mampianatra azy ny tokony hatao rehetra ao an-tokantrano ny rahavaviny na ny reniny.