Cabinet
| FITONDRAM-PANAZAVANA MIKASIKA NY KOLONTSAINA SY NY VAKOKA ARY NY TOKONY HANOMEZANTSIKA LANJA AZY IREO KABINETRA |
NY KOLONTSAINA SY NY VAKOKA
NO TARATRY NY FIANDRIANAM-PIRENENA
—————–
Ny tanindrazana no Vakoka voalohany sady fototry ny Kolontsaina
—————–
SASIN-TENY
Dradradradraina ombieny ombieny fa ireo firenena nahomby ka nahavita nampiroborobo ny toekareny dia tsy iza fa ireo izay nahay nitazona, nitahiry sy nanome lanja mandrakariva ny Kolontsainy. Tahaka an’i Sina, Japana, Indonezia, Angletera sy ny hafa koa. Etsy andanin’izany anefa, maro amintsika Malagasy no toa tsy mahafantatra akory ny mety ho andraikitra sy anjara toeran’izany kolontsaina izany eo amin’ny làlan’ny fampandrosoana firenena iray, indrindra fa i Madagasikara. Tsy an-kanavaka fa dia ny sarangan’olona rehetra mihitsy no indray velom-panontaniana manao hoe : Inona moa izany Kolontsaina? Inona no ilàna azy ? Mba inona no kolontsaintsika ? Fandanian’andro fotsiny ve ny mandinika sy mivaky loha ny momba izany? Mila ianarana na kolokoloina ve izy izany sa efa raiki-tampisaka ao anatintsika ka kojakojaina fotsiny sisa? Hitondra antsika mankaiza izy io sy ny fikolokoloina azy ? Ary laharam-pahamehana amin’ny fiainana koa ve izy io ?
Raha izany ary ny azo anombatombanana ny fari-pahaizantsika malagasy amin’ny ankapobeny, dia mety tsy mahagaga raha indraindray ireo mpitantana sy tompon’andraikitra ambony mihitsy no mahavita ireny fahadisona lehibe indrindra ireny. Ohatra, manam-pahefana amin’ny toerana na faritra iray (ben’ny tanàna na lehiben’ny distrika na lehiben’ny faritra) manome fahazoan-dalana manorina trano lehibe moderna manamorona toerana manan-tantara sy mitahiry ny kolontsaina maha izy azy ilay tanàna sy ireo vahoaka monina ao aminy.
Tena ilaina anefa ny mampahatsiahy fa maro amin’ireo kolontsaina nentin-drazantsika malagasy no efa nahafeno hatrizay ireo fepetra sy masontsivana ary fenitra takiana maneran-tany amin’izao fotoana izao mba hoentina hanatsarana ny fiainan’ny zanak’olombelona manoloana ny fanatontoloana : toy ny kolontsainan’ny fandriampahalemana sy ny firaisan-kina, ny fanajana ny zo aman-kasin’ny olombelona ary ireo tanjon’ ny arivo taona fahatelo ho an’ny fampandrosoana (Objectifs du Millénaire pour le Développement).
Ohatra amin’izany kolontsaina malagasy izany : ny fanahy no maha-olona, ny fahaiza-mandefitra, ny hevitry ny maro mahataka-davitra, ny teny ifampierana, ny fotom-pisainana tsy maneji-dresy, ny fahatsapana ny fihetsempon’ny hafa (fahaizana miara-faly na miara-ory amin’ireo mpiara-belona amin’ny tena). Ankoatra izany fahendren’ny razana izany, efa tombony lehibe ho antsika ny fananana teny iray ahafahantsika mifankahazo resaka, sy mahatonga antsika ho ankasitrahana sy tsy tsongon’olom-bolo eo imason’ny firenena hafa. Raha fintinina, dia ny Vakoka sy ny Kolontsaintsika ihany dia efa taratra iray lehiben’ny Fiandrianam-pirenentsika.
Arak’izany àry, raha alalinina kely ny mety ho fomba fiheverantsika ankehitriny izany atao hoe fandrosoana na fampandrosoana, raha jerena izany finiavantsika marina hitondra fanovana sy hanana fahamatorana bebe kokoa taorian’izay 50 taona nahazoana ny fahaleovantena izay, Inona marina ary no fiheverantsika ny atao hoe Vakoka sy Kolontsaina ? Ary inona no mba lanjany sy vidiny omentsika izany Kolontsaintsika Malagasy izany ?
I – Ny Ministera misahana ny kolontsaina
Fiadidiana sy Asa aman’andraikitra :
Ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka dia natao hisahana ny fandraharahana ara-panjakana sy ny fitantanana ny kolontsaina sy ny zavakanto, ny fitehirizana sy fampahafantarana ary fampiroboroboana ny vakoka ara-kolontsaina na ny hita maso sy azo tsapain-tanana na ny tsy azo, ary ny fanatontosana ireo asa sy hetsika rehetra mifamatotra amin’ny kolontsaina sy ny vakoka mifanaraka amin’ny Hitsivolana laharana 2005-006 tamin’ny 22 aogositra 2005 mitondra ny Politikam-pirenena momba ny Kolontsaina ho an’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara- toekarena.
Araka izany, ny andraikitr’ity ministera ity dia ny mamolavola sy manangana ary manatanteraka ireo rafitra sy lamin’asa rehetra hiarovana, hitahirizana, hampisongadinana ary hanomezam-bidiny ny vakoka ara-kolontsaina amin’ny endriny rehetra, hampivoarana izay endrika rehetra mety isehoan’ny famoronana sy fampianarana ireo kanto isan-tsokajiny, ary hanohanana ireo faritra amin’ny fametrahana sy fampiharana ifotony ireo fepetra tsy afa-misaraka amin’ny fanatontosana ireo lamin’asa ireo, toy ny famoronana paik’ady sy asa mampidi-bola ho an’ny mponina avy amin’ny fahalalana nentim-paharazana sy ny fahaiza-manao eo an-toerana, ny fikajiana sy famerenana ny tontolo iainana sy ny zava-manan’aina manodidina, ny fitaizana ny mponina ara-kolontsaina sy fampianarana ny maha-olom-pirenena.
Ireo sehatr’asa mifandray mivantana amin’ny ministera :
Sehatr’asa maro no tsy maintsy mifandray amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka eo am-panatanterahany ireny tetik’asa sy lamin’asa novolavolainy ireny : ny maha-olona, ny fiaraha-monina, ny fahasalamam-bahoaka, ny fanabeazana sy ny fitaizana, ny tontolo iainana, ny fizahan-tany eny fa na ny toekarena aza. Ny raharaha rehetra mikasika sy mifandraika amin’ny kolontsaina dia tsy maintsy misandrahaka sy mifampiditra amin’ny sehatra hafa avokoa (multisectorielles) ary tsy maintsy dinihina miaraka amin’ny fijery marin-drano (transversales). Tsy azo idovirana ny fijerena sy fandalinana ny lanjan’ny kolontsaina misy eo an-toerana rehefa hamolavola sy hanatontosa ireny tetik’asa lehibe itambarana sehatra maromaro ireny (projet de développement integré).
Eo amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ohatra ; iaraha-mahalala fa ny 47%n’ny malagasy dia tsy mahay mamaky teny sy manoratra ary ny 85% tantsaha avokoa. Ahoana ary no fomba ametrahana fampandrosoana mikatsaka marina ny tombontsoan’ny mponina raha toa ka zavatra vaovao tsy fantany sady sarotra tsy ho takatry ny sainy ary tsy misy fifandraisana velively amin’ny fomba nentin-drazany, ny fomba fiainany, ny finoany, ny tontolo iainany, ny fahaiza-manao ananany, no terena hajoro eo amin’ny toerana misy azy.
Tsy lavitr’izany koa ohatra ny eo amin’ny fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana ary ny fampiroboroboana ireo fahalalana ny zavaboahary. Ireny fiahara-monina isam-paritra ireny dia efa nanana foana ny fomba amam-panao nentim-paharazany, ny fomba fiainany izay nifanaraka sy nifamatotra tamin’ny zavaboary misy eo amin’ny toerana misy azy. Araka izany, dia izy ireo irery ihany no mety ho mpiaro mahomby sy azo antoka indrindra io tontolo iainany voalaza io raha toa ka mahatsiaro tena ho voakasika sy manana anjara amin’izay tetik’asa fampandrosoana apetraka eo an-toerana izy ireo, ka ahatsapany fa tompon’andraikitra amin’izany izy. Tetik’asa mamela azy hivelatra eo amin’ny taniny sy ny tontolony ary ao anaty fomba fiainana mifanaraka amin’ny kolontsaina nentim-paharazany.
Ny ezaka lehibe ataon’ny Ministera amin’ny fitandrovana sy fanomezan-danja ary fampahalalana ireo vakoka mampiavaka ny faritra tsirairay, sy amin’ny fampiroboroboana ny fahasamihafantsika ara-kolontsaina dia tafiditra indrindra ao amin’ny fampivoarana ara-olombelona, ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Ndeha ho raisintsika ny ohatra mikasika ny fahalalan’ny ntaolo ireny zamavaniry entina mitsabo ireny sy ny fomba fampiasana azy. Tsapa tokoa ankehitriny fa manana anjara toerana lehibe ao anatin’ny fikarohana momba ny fanafody sy ny fitsaboana nentim-paharazana ahafahana manatsara ny fahasalamam-bahoaka fototra eny amin’ny tontolo ambanivohitra ireny fahalalana fahagola ireny.
Torak’izany koa ohatra ny fikilasiana ireo toerana mana-tantara sy manana endrika kanto sy manintona ho isan’ny harem-bakom-pirenena. Isan’ny mampiroborobo fatratra ny karazana fizahantany antsoina hoe fizahantany ara-kolontsaina, ara-panahy sy ara-zavaboary izy ireny. Satria tsy vitan’ny hoe mamorona asa ho an’ny mponina eny an-toerana, fa mampidi-bola ihany koa ho an’ny fandraharahana ara-panjakana ankapobeny.
Ny finiavan’ny Ministeran’ny Kolontsaina hiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Fampianarana mba hampidirana ny fanabeazana ara-kolontsaina sy ny fampianarana ny zavakanto eny amin’ny toeram-panabeaza-panjakana dia hahafahan’ny ankizy malagasy rehetra (égalité de chance) handranto fahalalana mitovy ka hampivelatra azy amin’ny maha-izy eo amin’ny lafiny ara-kolontsaina sy hanamafy ny hambo-po maha-malagasy azy.
Ny Kabinetra – Tetik’asa 2010 et 2011
Teknisiana ambony voaofana amin’ny sehatra isan-karazany sy matianina ao amin’ny sehatry ny kolontsaina no mandrafitra ny Kabinetra. Ny tena ambaindain’ny andraikiny dia ny fanomezana toro-hevitra sy toro-marika, ny fanohanana sy fanaraha-maso ny fanatontosana ireo tetik’asa, ary indraindray rehefa ilaina, ny fanamarinana arak’asa (audit professionnel). Araka izany dia miezaka ny manolotra hevitra sy fomba fijery vaovao mandrakariva izy mba hanatsarana hatrany ny vokatra, ny kalitao sy ny fomba fiasa eny anivon’ny sampandraharaha rehetra manatanteraka ary miahy sy manara-maso ny fifamenoana sy ny firindran’ireny asa tontosaina any amin’ireo foibe rehetra ao anatin’ny ministera.
Mamolavola sy mandrafitra tekik’asa vaovao maro ihany koa ny kabinetra mba hahatrarana bebe kokoa hatrany ireo tanjon’ny Politika Nasionaly momba ny Kolontsaina, ary mandeha mikaroka sy mifampidinika amin’ireo olona manana fahalalana manokana mety afaka hanampy amin’ny fanatanterahana azy ireo ; tsy adinony ihany koa ny mangataka fihaonana amin’ireo izay mety ho mpiray ombon’antoka na ara-teknika na ara-bola ka afaka hanohana ny fanatontosana ireo tetik’asa.
Ireo tetik’asa novolavolaina nandritra ny jiona-desambra 2010
Maro ireo tetik’asa novolavolaina teo anivon’ny kabinetra tao anatin’iny vanim-potoana jiona-desambra 2010 iny. Arakaraka ny fahaiza-manao sy ny fahalalana ananan’ireo mpikambana mikasika ireo taranja ara-kolotsaina no ahafahanany mivondrona sy miara mikaon-doha manangana izany tetik’asa sy lamin’asa izany.
Tsy afaka notanterahana hatramin’ny farany anefa ireo tetik’asa ireo noho ny tsy fisian’ny vola efa voatokana mialoha hanaovana azy (Loi des Finances 2010). Manantena kosa ny ato amin’ny kabinetra ny mba hahazo famatsiana ara-bola hahafanany manao izany amin’ity taona 2011.
Isan’ny azo tanisaina amin’izany ireto tetik’asa manaraka ireto :
- Tetik’asa hananganana ny Tranom-bakok’i Menabe
- Tetik’asa hananganana ny Tranom-bakoky ny Valiha « Rakotozafy »
- Tetik’asa hananganana ny Tranon-bakoky ny Landy ao Analamanga
- Tetik’asa Fifaninanam-pirenenena « open » momba ny Fanorona ao Antananarivo
- Tetik’asa Fanentanana ny Firaisan-kina, ny Fifanampiana ary ny Fandraisan’andraikitra
- Tetik’asa Fitehirizana, fandikana amin’ny teny efatra samihafa ireo « Angano » voatana an-tsoratr’i Paul Congo, ary ny fanontana azy ireo ho boky
- Tetik’asa Famoronana mari-boninahitra nomena ny anarana hoe : « Sangan’ny Zavakanto, ny Soratra ary ny Kolontsaina (« Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture »)
- Tetik’asa hanomanana ny Folo andron’ny Vakoka sy ny Kolontsaina : 10 andro anantonan’ny ministera ny olom-pirenenera tsirairay, ifanatreham-bava hampahafantarana ny besinimaro indrindra ny tanora ny famaritana, ny andraikitra, ny vidin’ny vakoka sy ny kolontsaina : fampirantiana, sary, famelabelaran-kevitra miampy ady hevitra atao eny amin’ny toeram-panabeazana isan-karazany
- Tetik’asa hamolavolana sy hanaovana fandaharana radio sy televisiona hanentanana ny vahoaka sy ampianarana ny mikasika ny Kolontsaina : Adi-hevitra amina vahiny voafantina noho ny fananany fahalalana manokana momba ny lohahevitra isan-karazany toy ny fitehirizana, ny fiarovana, ny fampahafantarana ary fanomezam-bidiny ny vakoka ara-kolontsaina, toy ny tranom-bakoka, ny andraikiny, ny karazan’asa sahanina ao aminy ary ny fampiainana azy miaraka amin’ny vahoaka, ary toy ny kolontsaina nentim-paharazana sy ny fomba amam-panao sasany (Fanorona, Kabary…)
- Tetik’asa hanomanana ny Vakoka Festival 2011 : mba hitehirizana tsaratsara kokoa sy hampahafantarana bebe kokoa ireo dihy sy hira isan-karazany avy amin’ny lafy valon’ny nosy, araka ny maha vakoka ara-kolontsaina azy etsy andaniny ary ny maha aingam-panahy enti-mamorona azy ankilany.
- Tetik’asa hananganana Trano lehibe misy rihana dimy misahana taranja ara-kolontsaina maro ao Ampefiloha
- Tetik’asa Tee-Shirt entina mitondra sy mivoy ireny Soatoavina sy Teny filamatra « maha–izy azy ny malagasy » ireny amin’ny alalan’ny teny sy ny sary
- Tetik’asa fampivondronana (fédération) ireo fikambanana sy vondron’olona ary sampan-draharaha efa misy ka milofo amin’ny fampivoarana sy fampahafantarana ireny taranja ara-kolontsaina maro karazana ireny
- Tetik’asa Sarimihetsika : tsy ny Sarimihetsika amin’ny maha-mpitahiry (tantara, fomban-drazana…) azy ihany fa indrindra indrindra amin’ny maha-fitaovana enti-mitaiza sy manabe ary mampivoatra ny fiaraha-monina hivoizana ny « Fitiavan-tanindrazana » sy ny adidy amin’ny maha-olom-pirenena. Ny tanindrazana tokoa mantsy no Vakoka voalohany sady Fototry ny Kolontsaina.
II – Isika sy ny Kolontsaina
Famaritana :
Andeha mba samy hitsapa ny tenantsika tsirairay avy isika, ka tena mba hamaly ao am-po mangina sy am-pahamarinana tsy misy fihatsaram-belatsihy ireto dikanteny entina anazavana ny kolontsaina ireto. Iza amin’ireto famaritana ny kolontsaina ireto no ohatran’ny mifanitsinitsy amiko na toa metimety amiko? Raha avadika anefa izay fanontaniana izay dia : Vitantsika tsirairay avy ve ny miaiky fa voakasik’ireto famaritana ny kolontsaina manaraka ireto ?
- Ny kolontsaina dia tsy inona tsy akory fa ny zavatra rehetra iainantsika andavanandro.
- Ny kolontsaina dia fomba entina maneho, manambara, mifandray ary mampita ny eritreritra sy ny vokatry ny fikaonan-doha
- Ny kolontsaina dia fitrangan’ny fanahy, ny tsy azo tsapain-tanana sy ny tsy hita maso avy ao amin’ny isam-batan’olona, na mpiara-monina, na vahoaka na firenena iray. Lali-paka sy vokatry ny fo sy fahamatoran-tsaina izy, ka tena mamaritra sy mandrafitra ny foto-pisainana sy fomba fiainanan’izay fiaraha-monina manana azy, ary tena maneho ny fototra sy ny vato ifaharan’ny fanantenam-bahoaka. Ka sanatria dia sanatria, tsy zavatra entina hamalifaliana ny hafa na ny vahiny fotsiny.
- Ny kolontsaina no manondro ny maha-izy antsika. Izy no manamarina ny fototra niaviana, manoritsoritra ny tantara sy ny fomba fivoaran’ny fiainana sy ny fomba amam-panao. Ny kolontsaina dia mety miara-mivoatra amin’ny fotoana, manaraka ny fomba fijery vaovao ny fiaraha-monina, manaraka ny fivoarana ara-tsiansa sy ara-teknolojia.
Araka izany ary dia azo atao ny manitsy azy raha toa ka voatazona tsy ho very ilay foto-kevitra nijoroan’ny teny am-piandohana. Raha tsy izany dia ilay kolontsaina mihitsy no mety ho very, voasolo na voatelin’ireo kolontsaina hafa izay matetika matanjaka sy maninto-maso kokoa. Raha jerena ohatra ireny fomba amam-panaontsika ireny, rehefa ny fanao (endrika ivelany) indray no manitsaka sy manakona ilay fomba (votoatiny) dia lasa tandrametaka, sy fihatsaram-belatsihy ary fitadiavana tombotsoa manokana fotsiny sisa tavela ao amin’ilay kolontsaina.
- Ny kolontsaina dia zo fototry ny olombelona tsirairay.
Ny fomba fiseho sy fivoakan’ny kolontsaina mahazatra indrindra dia ny zavatra fanaontsika amin’ny fiainana andavan’andro na ny zavatra iarahantsika miaina aman’olona na vondron’olona. Matoa ny olona na antokon’olona iray manatanteraka sy mamerimberina fomba iray dia satria resy lahatra tanteraka izy fa mety ny fanaovana an’io ka tokony ho ataony, fa tsy adalan’ny zoky sy ny razambe taloha ny nanao azy io, ary hitondra voka-tsoa eo amin’ny fiainany ny fanaovana azy io.
Ohatra :
Ohatra maro no azontsika tanisaina mikasika ny kolontsaina na ny taloha izany na ny ankehitriny. Ao ireo nolovaina avy any amin’ny razana dia niampita tamin’ny taranaka ary nekena sy natsangan’ny isam-batan’olona. Ao kosa ireo nifandraika amin’ny fiaina-piaraha-monina sy ny firaisa-monina.
- Kolontsainan’ny fisakafoana :
Mihinana vary mena in-telo isan’andro. Mbola fahita tokoa any ambanivohitra, efa mahalana anefa ety an-tanan-dehibe noho ny fivoaran’ny fahalalana mikasika ny fanjarian-tsakafo sy noho ny fahamaizana amin’ny fiainana andavan’andro.
- Kolontsainan’ny fahadiovana :
Fa satria ve mahantra na tsy nahita fianarana dia voatery tsy maintsy ho voretra. Hita araka izany fa ilaina ny fampirisihina ny fitaizana ara-kolontsaina toy ny hoe : ”ny fahadiovana no voaloham-pahasalamana”, tokony hametraka fiaraha-miasa maharitra amin’izany ohatra ny ministera dimy farafahakeliny : fahasalamana, rano, fampianarana, mponina ary ny kolontsaina.
- Kolontsainan’ny Dina :
Lalàna sy fifandaminana eo amin’ny toerana iray, ekena sy hajain’ny mpiara-monina rehetra satria nifanarahana sy niarahan’ny daholobe nanapaka nandritra ny fivoriam-pokonolona, fa tsy nalaina tahaka be fahatany avy any ivelany dia terena hiatra eo amin’ilay toerana kanefa hita izao fa tsy mifanaraka velively amin’ny zava-misy ara-piaraha-monina sy ara-kolontsaina ary amin’ny tontolo iainana eo amin’ilay tanàna.
- Kolontsaina mandà ny kolikoly :
Ao anatin’ny ady atao amin’ny kolikoly dia tsy ampy ny misambotra sy managadra fotsiny izay mpanao kolikoly. Fa ilàna hetsika lehibe sy fandresen-dahatra mahery vaika ny vahoaka mba hanana kolontsaina mandà ny kolikoly, kolontsaina izay mifototra sy miainga avy amin’ny Soatoavina Malagasy (Fifankatiavana, Fifanampiana, Fifanajana, Firaisankina, Fahendrena, Rariny sy Hitsiny) sy ny fanabeazana amin’ny maha olom-pirenena vanona.
- Kolontsaina miaiky fa ambony ny fotsy hoditra noho ny mainty, kolontsaina miaiky fa olom-boaozona ny Malagasy :
Asa angaha takaitra azo avy amin’ny fanjanahan-tany ve, sa vokatry ny fitobaky ny fidiran’ireo kolontsaina tandrefana tafahoatra eto amintsika avy amin’ny haino aman-jery, sa vokatry ny fahantrana sy ny fahaosan’ny toekarentsika, fa ireo kolontsaina ratsy sy mamohehatra ireo dia manosika antsika (indrindra izay mareforefo saina sy marivo salosana) hanambany sy hanao tsinotsinona izay rehetra avy amin’ny Malagasy, sy handika ho ratsy ny Teny hoe Gasy : vita gasy, mofo gasy, trano gasy, alika gasy, fotoan-gasy, efa tamin’ny tany gasy, toaka gasy, fomba gasy…, manao izay hinoantsika fa efa ozona izao mahazo ny Malagasy izao, ary mampirisika antsika hiraviravy tanana tsy hitraotra intsony, sy hanary ny hambompontsika.
III – ny toe-bola voafaritra ho an’NY KOLONTSAINA
Mandany vola fahatany fotsiny ve ny Kolontsaina ?
Raha hanao fanoharana amin’ny sehatry ny fampianarana isika, mandany vola ny mpianatra mba hioty sy handrato fahaizana sy fahalalana. Eo amin’ny kolontsaina kosa, mandany vola ihany koa isika mba hioty soatoavina sy fahendrena, mba hanana fahaiza-mamorona zavakanto, mba hanana ny maha-izy antsika sy ny hambompontsika, ary mba hanana fiaraha-monina mifamatotra sy mirindra. Marina fa toa zavatra tsy azo raisina sy tsy azo tsapain-tanana izany, ary rahateo moa sarotra ny mandrefy ny tsy hita maso, ka mampanontany tena tokoa angamba hoe toa mihinam-bola fotsiny tsy hahazoana tombombarotra mivaingana ve izany kolontsaina izany ?
Fa ny fanontaniana tsara apetratsika kosa dia ny hoe : Ohatrinona ary no mety ho vidin’izany firaisankinan’ny samy malagasy, izany fandriam-pahalemam-bahoaka, izany soatoavina sy fahendrena mampiavaka ny Malagasy, ary izany maha-izy azy ny Malagasy izany?
Finiavana – Fisafidianana izay tokony ho laharam-pahamehana
Efa taona maromaro lasa izay, tsy mbola nihoatra ny 0,05%n’ny totalin’ny toe-bolan’ny ministera rehetra ny anjaran’ny ministeran’ny kolontsaina. Ka ho gaga ve isika raha toa mihevi-tena ho taizan’ny kolontsaina tandrefana ka maka tahaka be fahatany ny fanaon’ny vahiny avokoa ireo tanorantsika, eny na ireo manam-pahaizana indrindra aza, ary mahavita manao tsinontsinona sy manary ny azy. Tanora tsy manam-pototra, tsy misy hazon-damosina, tsy manana ny maha-izy azy ary marefo saina sy mora hozongozonina.
Telo miliara ariary isan-taona, ho an’ny velarantany 600 000 Km2 (izany hoe 5000 ariary/Km2/taona) ary ho an’ny mponina 20 000 000 (izany hoe 150 ariary/mponina/taona)!
Rovan’Antananarivo : Tetik’asa fanarenana ny Lapa Manjakamiadana
Manjakamiadana no lapa lehibe indrindra, tsangambato filamatra sy taratr’i Madagasikara eran-tany ary hambompon’ny vahoaka malagasy, ho lasa tahirim-bakoka ara-kolontsaina sy ara-tantara izy atsy ho atsy. 10 na 15 miliara ariary eo ho eo sisa ilaintsika hamitàna azy tanteraka ho tafaverina amin’ny laoniny.
Raha toa ary ka mitentina manodidina ny 800 000 000 ariary eo ho eo amin’izao fotoana izao ny manamboatra lalana 1 Km vita tara (goudron) tsara kalitao, dia tokony hitovy vidy amin’ny lalana 20 Km eo ho eo izany ny asa sisa tsy vita amin’ny fanarenana ny Lapa Manjakamiadana sy ny famerenana amin’ny endriny ireo entam-bakoka rehetra tokony ho averina ao anatiny.
TENY FAMARANANA
Ny Kolontsaina dia isan’ireo sehatra vitsy ahafahan’i Madagasikara mifaninana amin’ny firenena hafa, eny fa na ireo firenena mandroso aza. Satria isika Malagasy ihany no tompony. Ary kolontsaina Malagasy madio no nandrafitra azy hatrany am-piandohany. Tsy misy fomba nipoirany sy niaviany hafa ankoatra ny tantara, ny fomba nentindrazana, ny tontolo iainana sy ny zavaboary, ny finoana, ny fomba fisainana sy ny fiainana ara-kolontsain’ny vahoaka Malagasy. Ireo no nanefy ny maha-izy azy ny Malagasy sy ny hambompony.
Raha toa ary ka nofinofisintsika ankehitriny izany “Fahaterahana vaovao an’i Madagasikara” na “Madagasikara vaovao” (Renaissance de Madagascar), izany vina vaovaon’ny ho avy, izany fiaingana vaovao, izany fanovana tanteraka hatrany ifotony, izany firoboroboan’ny toekarena ; dia indrisy fa tsy ho azo heverina akory izany raha tsy raharahiantsika ny maha-malagasy antsika, raha tsy asiantsika lanjany aloha ny maha-izy antsika ara-kolontsaina, raha tsy raisintsika ny maha-zava-dehibe ireo soatoavina nentim-paharazana efa voaporofo fa mahomby sy mahavita azy, raha tsy hampivoarantsika sy asiantsika vidiny ireo vakoka ara-kolontsaintsika na ny hita maso sy azo tsapain-tanana na ny tsy azo, ary raha tsy omentsika lanja sy hajariantsika ireo harenantsika ara-javaboary sy ny tontolo iainantsika.
Ireo rehetra mpanapa-kevitra, mpitantana sy tompon’andraikitra dia tokony hisarika na hanitsy ny politikam-pampandrosoany ny faritra misy azy avy ho any amin’ny fanomezam-bidy sy fampidirana ny kolontsaina, ny fahalalana sy fahaiza-manao nentim-paharazana avy eo an-toerana, ny fomba fiaina sy fisaina ara-kolontsaina ny mponina, ao anatin’izay zotran-damina hajorony. Sarotra ny mamolavola tetika hampandroso vondrom-bahoaka ao amin’ny faritra iray ka hanilikilika sy hanao ankilabao ny ampahany amin’ny mpiara-monina, na hanao ambanin-javatra ny karazan-kolontsaina misy sy ny fiaraha-miaina ara-kolontsaina efa mipetraka eo. Ireny toerana manan-tantara sy kolontsaina mampiavaka ny faritra ireny dia tokony omen-danja sy vidiny mba hampivoitra izay maha-izy azy izay. Ary ireny toerana tsara endrika sy mahasarika ireny ka hokilasiana ho isan’ny harem-bako-pirenena (patrimoine national) dia tokony hitandro sy hiaro manokana ny fomba fiaina ara-kolontsainan’ny mponina ao aminy.
Aoka tsy ho adinontsika fa izay rehetra imatimatesantsika dia atao hanasoavana sy hanatsarana mandrakariva ny fiainan’ny zanak’olombelona, atao hanomezan-danja sy hasina ny maha-olona sy hitandrovana ny tontolo iaianany. Ohatra : Ahafantarana sy anavahana manokana ny vahoaka na foko Zafimaniry ny fiarahany miaina amin’ny hazo, raha fongana izany ny ala, dia lany tamingana koa io vahoaka io. Toa mora tenenina ery izy izany, kanefa amin’ny lafiny iray dia azo tsaraina ho isan’ny fandripahana vondron’olona (génocide) efa voaomana, satria efa nampoizintsika rehetra ny faharinganan’ny ala tsikelikely, kanefa tsy nisy nanao na inona na inona. Izay indrindra no mahatonga anay tsy ho sasatry ny mamerimberina fa ny politikam-pandrosoan’ny toerana iray amin’ny sehatra rehetra (fahasalamam-bahoaka, fanabeazana, fizahantany…) dia tokony hifototra lalandava amin’ny fanomezan-danja sy fanomezam-bidiny ny zavamisy eo an-toerana ara-kolontsaina sy ara-tsosialy, ary tokony hampivoatra ny kolontsaina amin’ny alalan’ny fampianarana sy ny fifanakalozana.
Fa alohan’izany rehetra izany, ireo kolontsaina ireo aloha dia mila averina ho faritana sy ho alalinina, ho lanjalanjaina, hahitsy raha ilaina izany ary apetraka amin’ny toerana misy azy sy averina ho fananana. Aorian’izay vao arovana, tehirizina, omem-bidy sy hampidiram-bola ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka. Ny tanjona amin’izany moa dia ny hanatsarana ny fiainana sy ny rafitra iainan’ny mponina sy ny fianakaviany, ka ahazoany mivelatra eo amin’ny taniny sy ao anatin’ny kolontsainy. Ary mba hahatontosa izany rehetra izany dia mila enti-manana ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka mba hametrahany ireo rantsa-mangaikany manaram-penitra isam-paritra, etsy andaniny, ary mba hitaritany izany asa miezinezina izany manerana an’i Madagasikara miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy sy izay hafa mety hanampy azy koa, etsy ankilany.












Madame le Ministre,
Madame, nous étions sensibilisés par l’interview d’un artiste des rues dans le SASANKALIM-piderana 2012 émis par TV+.
Mr ANDRIANASOLO, aveugle de naissance, gagne sa vie avec un synthétiseur d’emprunt à Mahamasina, tous les jours de l’année. Son rêve était d’avoir son propre clavier pour subvenir aux besoins familiaux. Nous lui avons trouvé un Yamaha PSR-3500 adéquat avec son handicap de mal voyant.
L’Association Cultures et Voyages Meuse-Madagascar et moi-même sommes enthousiasmés pour lui offrir cet instrument!
Nous souhaitons que votre Ministère parraine cette opération à Madagascar pour que cet artiste et sa famille reçoivent ce don dans des conditions sécurisées.
Mr ANDRIANASOLO ne se plaint pas de son sort, il ne demande pas l’aumône mais juste un coup de pouce pour continuer à travailler, pour assurer ses responsabilités familiales, et cela mérite respect.
Veuillez agréer, Madame le Ministre, l’expression de mes profondes considérations.
Andriamiharisoa, président de Association Cultures er Voyages Meuse-Madagascar.
Miarahaba tompoko, itondra fanamarihina mikasika ity syndikan’ny mpanao haisary « SEMPAHAI », sy ny « CNAL ».
Azonareo atao ato @ kabinetra ve tompoko ,ny mampiantso fivoariam-be hoan’ny mpanakanto rehetra hananganana azy io satria ireo ao anatiny ny ankamaroany amin’izao dia tsy mpanakanto mpivelona fa ireo « opportuniste », kitranoatrano , hoy ry zareo mpanao gazety izay .Io « confédération » ny mpanakanto sehatra haisary ihany koa hangatahana ny ao @ kabinetra hanao antso bemiray ahatonga ny ao anatin’io taranja tsy ankanavaka; satria ry zareo ao @ DAPA dia tsy niantso ny ankamaroany ireo mpikanto na fikambanana mikirakira io fa izay fantany ihany.Renay siosio fa efa misy io conféderasiona io ka mangataka tompoko , sanatria tsy hampitsabaka andraikitra anareo fa mitady ny mangarahara tompoko.Mankahery ny ezaka ataonareo si izay eaf vita izahay .Mirary soa.Mpikirakira ny haikanto.
Hita ny fandraisana anjaran’ny minisitera eo @ fanentanana ny mpiray tanindrazana hahafantatra bebe kokoa mikasika ny kolontsaina Malagasy , zava-dehibe izany andraikitra izany , irariana mba hipaka eny anivon’ny Malagasy tsirairay izany hisian’ny fivoarana sy fampandrosoana.Mankasitraka ,olon’ny kolontsaina.