Divers/ Fomba amam-panao Sihanaka amin’ ny Fahafatesana

kabary1- Fombafomba

Any amin’ny Faritra Alaotra dia saika miato ny “taba” na ny “raharaha” fameloman-tena fa mifanotrona ny mpiara-monina rehetra.

Noho izany amin’ny fotoana fisakafoana dia misy olona miantso ary mifandimby miditra misakafo ny mpanotrona. Na izany aza anefa tsy dia manarao-paty ny olona fa ireo vahiny avy any ivelany no misakafo amin’ny “henam-poaraka” fa ny mpiara-monina saika any an-trano avokoa no misakafo.

Ny famangiana dia ao amin’ny lapa mainty no anatontosana izany, saingy efa misy manova io ankehitriny ka ao amin’ny efitra misy “ROFY” no tanterahina.

Raha misy mamangy mitsangana amin’izao fotoana izao dia mbola maro no mifikitra amin’ny fomba “Fizaha-maso” nentim-paharazana. Miditra ny mpamangy tarihin’ny lehilahy lehibe iray. Mipetraka daholo ny  rehetra fa ilay lehilahy lehibe sy ny mpitondra ny “rambon-damba” no mitorovoka eo akaikin’ny toerana misy ny lehilahy lehibe mpitondra tenin’ny fianakaviana mana-manjo.

Miteny mora mila tsy ho heno izy ireo rehefa mifamaly resaka. Ny “rambon- damba na ny fao-dranomaso” indray dia apetraka amin’ny tany na atao anaty satroka efa mipetraka eo amin’ny tany.

Ny fiambenana dia mandeha daholo ny olona rehetra afaka manao izany. Vavaka ihany koa no atao. Misy fomba nentim-paharazana mbola misy manao hatramin’izao dia ny “baheza” na “sasy”. Izany dia hira fanao amin’ny fiambenana ary tsy azo atao raha tsy amin’io ihany; dia mandrehitra afo kitay sy rantsan-kazo vaventy ireo amin’izay amindroany eo an-tokontany.

Rosoana kafe, dite sy mofo matetika ny olona ary misy Raiamandreny iray misolo tena ny fianakaviana manao kabary fisaorana ny olona, ka mahatratra hatramin’ny intelo izany mandritra ny alina.

2- Ny famangiana : Raha zanaka ny maty

Ny famangiana manjo dia fanehoana ny fiaraha-miory sy ny fampiononana no foto-kevitra raketiny.

Mifanotrona amin’ny voina mahazo ny havana sy ny mpiara-monina, mba hiara-mizaka ny manjo niandoha tamin’ny fitsapana alahelo na vonjy taitra izany, vao tonga amin’ny famangiana manjo na “fizahana maso ».

MPAMANGY: “Gagagaga foana izahay, vaky an-jahatra, toy ny vakiam-baratra fa tsy nanam-po amin’atambo, fa ny tany manan-tompo, ny fanjakana manan’Andriana, ka eo am-panaovana ny fanompoana sy famelomam-batana, mivezivezy mianatsimo, mianavaratra, tsy mieritreritra afa-tsy “tabà” fanano an-davan’andro, kanjo nandreny vaovao tsy omby tadiny, nandreny ny loza sy antambo midona amin-kavana, ka isika olombelona, sanatrian’ny vava, tsy anano fomban’aomby ka mitrao-poana, fa avy izahay manano akory foana anareo aty tompoko.”

VANGIANA: Eny marina izany tompoko, tsy ny raha mahavoa no atao marina, fa ny teninareo; misaotra tompoko, kanefa izany saotra izany dia sao-berivery, saotra aza manody vady, aza manody zanaka fa ny iterahana moa mba ho solofo, (ary mety miova ny fiteny eto raha ray aman-dreny na rahalahy… no maty) handimby, hitsinjo sy hitaiza amin’ny fahanterana, kanjo nivadika ny rasa ka nisarika hazo an-tendrony ny fahafatesana, ny tokony handevina indray ity no alevina, natao ny fiala-nenina rehetra nefa moa ny tena izany ratsy Andriamanitra, ratsy zanahary ka ny olona maty foana ity, nilaozan-dRatsifoy izahay

(Mazàna mitohy indray ny gogogogo)

Dia mampionona indray ny mpamangy.

MPAMANGY : Atao akory moa tompoko, fa ny miloloha lanitra tsy maintsy lena, ny mandia tany tsy maintsy solafaka, tahaka ny “didi-aomby” (anjara hena amin’ny fetim-pianakaviana io) ny fiainan’olombelona ka samy mahazo azy, ary toy ny tandrifin-drahona ka samy miloloha ny tandrifiny. Didin’ Andriamanitra, laha-janahary ny fahoriana ary tonga amin’ny fiteny hoe : «  hazakazaka ambany farafara » ka tonga amin’ny tsy azo anoarana. Koa ataovy firaotr’aomby ka sady miraotra no mandinika ; ka noho ny adidy mbola betsaka apetrak’Andriamanitra aminareo dia mahaiza mandini-tena tompoko. Ka aza miondrika loatra tompoko, fa ny olombelona mijery antsika anie ka lakalaka e ! Ka raha atao tafahoatra na dia ny « fanalana » (fisaonana) dia anadalany ny mana-manjo.

VANGIANA: Eny tompoko, fa hankaiza tokoa moa. Misaotra dia misaotra amin’ny  teny tsy misorona ataonareo mampionona anay. “Farifary” manan-kavana tokoa izahy manana anareo. Voaray izany dinika izany tompoko fa sanatrian’ny vava, na tsy nisy mpampionona aza, tsy maintsy mionona ihany, maika moa fa misy anareo havana sy tapaka mampionona.

MPAMANGY: Eny tompoko, ny fahoriana midona dia tsy vitavita foana ny fikarakarana an’izany fa adidy lehibe amintsika velona ny miatrika an’izany. Ka raha ny marina dia tokony hitondra landy na aomby afoaraka izahay akeo. Nefa moa ny vola aman-karena toy ny rano andaitra (ankarao-bato): jerena toa manelatra fa rehefa andraofana tsy azahoana firy. Ary indreto ‘zahay tompoko mitondra ny singan-dandy ampombaina ny maty ary ny solon- dranombary tsy masaka ho an’ny velona.

Kely dia kely tompoko ka aza manadidy ‘nareo. Tsy izao fahoriana izao no nahakely azy, fa efa lany andavanandro.

VANGIANA: Izao fanotronanareo izao dia efa zava-dehibe tokoa, nefa dia mbola nampombainareo vola aman-karena indray izany. Ary hoy ianareo hoe “Kely”, tsy kely io tompoko fa betsaka. Fa ny volana an-dranomaso no mahakely azy. Onera zato heny anie ny kitapo nialany. Koa dia misaotra indrindra tompoko!

Aorian’izay vao mifanontany ny fahasalaman’ny velona akanga sisa nanamborana ny mpamangy, ka hoy izy : “koa dia manao ahoana ianareo tavela tompoko”

VANGIANA: Eto mipetrapetra-dratsy eto daholo izahay tompoko.

Nalaina tao amin’ny boky KABARY AMIN’NY FAHORIANA AO
ANTANANARIVO SY ANY AMIN’NY FARITRA ALAOTRA, notohanan’i
ANDRIANAME ANDRIAMANDIMBIARIVO Andriatodiarisoa, takila 11-12