Daily Archives: 20 juin 2012

Hetsika Faribolana Sandratra

Hery Mandaniaina, Najaina Hafa ary Masy Manantena, ireo no hanafana ny CGM analakely ny Alarobia 20 Jona amin’ny 3 ora tolakandro, amin’ny antsan-tononkalo « ZAVOZAVA »

Kabary haparitaka maimaimpoana / Presse

Mamerina hasina ny kolontsaina sy ny teny. Hanaparitaka ny kabary ho isan-tokantrano ny fikambanana « Ampinga » izay manana ny foibeny eny Ambohimanarina. Amin’ny alalan’ny fanomezana fampianarana maimaim-poana ho an’ireo olona izay liana amin’izany no hanatanterahana izany.

Doda Razafy ao amin’ ny Le Louvre

Hanao fampirantiana etsy amin’ny « Le Louvre Antaninarenina » i Doda Razafy, mpanao sary hosodoko, manomboka ny Alarobia 20 jona izao. Ireo trangam-piainana andavan’andro sy tranga fahita an-drenivohitra no voaraikitr’ireo sanganasany ireo.

« Rakibolana Malagasy » Tome II / Presse

Pour marquer le mois de la langue malagasy « Iray volan’ ny Teny Malagasy », l’Académie Malgache a  annoncé la sortie officielle, pour bientôt du dictionnaire malgache « Rakibolana Malagasy » Tome II. Le premier « Rakibolana Malagasy » est sorti en 2008 après que l’Académie Malgache a fini de vérifier les sens des mots proposés.