Hiditra amin’ ny andiany fahavalo ny hetsika « Walking Jazz », izay fanandratana ny talenta vao amin’ ny mozika Jazz. Ao amin’ ny Kudéta Club Carlton ny faha 21 jona ho avy izao no hanatanterahana azy, ka ny tarika Angroov Quartet, izay tarika vao misondrontra no hanamarika izany.